FANDIDIANA FO MISOKATRA-CENHOSOA

Nambara fa maimaimpoana mandritra ny 5 taona…


  • Zoma 05 Jolay 2024

Hahavitana mandidy zaza miisa 4 na 5 eto Madagasikara ny saran’ny fandidiana fo misokatra

ho an’ny zaza iray tera-tany Malagasy mankany ivelany. Nivoitra izany nandritra ny fitokanana ny toeram-pandidiana fo misokatra etsy amin’ny CENHOSOA Sovinandriana omaly Alakamisy 04 Jolay. Ankoatra ireo fitaovana marobe manara-penitra ao anatiny dia ahitana efitrano miisa 13 ity toeram-pandidiana ity. Tonga nitokana izany teny an-toerana ny Filoham-pirenena izay nilaza ny maha-zava-dehibe ny fananantsika foto-drafitrasa tahaka izao. Nifanindry an-dalana tamin’ny fanamarihana ny faha-133 taona nijoroan’ny Hopitaly miaramila Soavinandriana moa ny hetsika. Nambaran’ny Ministry ny Foloalindahy tamin’izany fa anisan’ny tanjon’izy ireo ny hanatsara hatrany ny tolotra ara-pahasalamana omena ny vahoaka mifanaraka amin’ny filany andavanandro.
ENCADRE
Ny 21-24 mey lasa teo dia efa nisy fandidiana fo misokatra natao tamin’ny zaza miisa 4 tao an-toerana, ka fahombiazana avokjoa. Amin’ny ankampobeny, ajanona tanteraka ny fo, ary masinina no mampiodina ny vatana mandritra ny fandidiana fo misokatra. Nilaza moa i Andry Rajoelina, fa tsy hijanona amin’ny fandidiana fotsiny, fa ivon-toerana manontolo misahana ny fandidiana fo no hatsangana. Nilaza fa mandritra ny 5 taona, ny fandidiana hatao ireo ankizy hodidiana sy hotsaboina ao dia ho maimaimpoana. Hanangana « centre de cardiologie » lehibe indrindra aty Afrika hapetraka ao amin’ny HOMI, ary havaozina sy hamboarina ny HOMI raha ny fampanantenana. Dia ho hita eo indray ary e !
Pati sy Toky R
Legende : Nandritra ny fitokanana omaly !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT