FANDIDIANA FO HO AN’NY ANKIZY

13.000 Euros ny vola ilaina raha mankany ivelany


  • Zoma 10 Mey 2024

Mahatratra 13.000 Euros ny vola ilaina raha handidy fo any am-pitandranomasina ho an’ny zaza iray.

Tafiditra ao anatin’io avokoa ny saran-dalana sy ny hofantrano raha araka ny fanazavana. Betsaka anefa ireo ankizy marary fo ilana fandidiana tonga mandalo etsy amin’ny hopitalin’ny miaramila Soavinandriana raha araka ny fanazavan’ny dokotera Willy. Mahatratra 30 ka hatramin’ny 40 isan-taona izany raha kely raha tonga hatrany amin’ny 500 isa ireo mandalo fitiliana. Nambaran’ity dokotera ity fa fomba iray hitazonana ny fahasalaman’ny zaza ny fandidiana fo misokatra ho an’ireo tratry ny fahasembanana na koa simba ny fony. Ankoatra ny mikraoka ao anatin’ny ativava sy ny aty tenda dia anisan’ny mety hankarary ny fon’ny ankizy ny nify simba. Tsy maintsy ajanona ny fitempon’ny fo sy ny avokavoka noho izany mandritra ny fandidiana ary mampiasa fitaovana fampikorinana ny ra ety ivelan’ny vatana ny mpitsabo mandritra ny fandidiana. Anisan’ny manampy ity hopitaly iray ity amin’ny fandidiana ireo ankizy marary fo moa ny Chaine de l’espoir raha toraka izany koa ny Medecin du monde izay tena nanampibe azy ireo hatrany am-boalohany.
Pati
Legende : Efa vita eto amin’ny hopitalin’ny miaramila Soavinandriana ny fandidiana fo ho an’ny ankizy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT