Fandaniam-bola amin’ny sehatry ny fahasalamana

Manampy amin’ny fametrahana rafitra mpanara-maso ny Amerikanina


  • Zoma 22 Novambra 2024

Miara-miasa amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana

misahana ny Fahasalamana na OMS ny Govbernemanta Amerikanona amin’ny alalan’ny Sampandraharaha Amerikana misahana ny Fampandrosoana Iraisampirenena na USAID, mba hanamafisana ireo rafitra fampiasam-bola eo amin’ny sehatry ny fahasalamana sy hanomezana tari-dalana momba ny politika ara-pahasalamana ary hanohanana ny ezaka fametrahana ny Couverture Sanitaire Universelle (CSU) na ny rafim-piahiana ara-pahasalamana ho an’ny rehetra. Nanamafy ny maha zava-dehibe ny fananana antontan’isa mazava sy mangarahara momba ny fampiasam-bola eo amin’ny sehatry ny fahasalamana ny Tale lefitra mpisolo-toerana misahana ny fahasalamana eo anivon’ny USAID Haja Razafindrafito nandritra ny fampahafantarana ny alarobia teo ny vokatry ny tetikasa Compte National de la Santé (CNS) na rafitra fanaraha-maso ny fampiasam-bola eo amin’ny sehatry ny fahasalamana, ho an’ny taona 2022, izay nivaoka vao haingana. Nanomboka tamin’ny herintaona ny USAID dia manohana ny Minisiteran’ny Fahasalamana hametraka rafitra maharitra sy mirindra hanaraha-maso ny fandaniana eo amin’ny sehatry ny fahasalamana, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Manamora ny fanaraha-maso ny fandaniam-bola eo amin’ny sehatry ny fahasalama eto Madagasikara ny CNS ary manampy ny firenena handray fanapahan-kevitra voadinika hiantohana ny fisitrahan’ny rehetra tolotra ara-pahasalamana. Hita fa niakatra ny saran’ny fitsaboana eto Madagasikara ary ny ampahany betsaka amin’izany dia zakain’ny fianakaviana sy ny isam-batan'olona, hoy ny tatitra. Miantraika amin’ny tsirairay ny fiakaran’ny saran’ny fitsaboana ary manasarotra ny fisitrahan’ny olona fitsaboana rehefa ilaina izany. Ny fiakaran'ny vola lany amin'ny fitsaboana dia mahatonga fihenan’ny vola hiatrehana ireo filàna fototra hafa. Noho izany indrindra no hanamafisan’ny USAID ny fahavononany hanohy ny fiaraha-miasa amin’ny governemanta Malagasy amin’ny fandresen-dahatra hampitomboana ny hoenti-manana hanohanana ny fametrahana rafim-piahiana ara-pahasalamana ho an’ny rehetra eto Madagasikara, hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny Masoivoho Amerikanina.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT