Fahasalamana

Fanatsarana ny fahasalamam-bahoaka Hifanome tanana ny minisitera sy ny PSI ary ny Airtel


  • Zoma 19 Mey 2017

Hiara-kiasa akaiky manomboka izao ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka sy ny PSI Madagascar ary ny tambajotram-pifandraisana Airtel.

Tontosa omaly tetsy Ambohidahy ny sonia fifanekem-piaraha-miasa mifandraika amin’izany notarihin’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka ny profesora Mamy Lalatiana Andriamanarivo. Anisan’ny nivoitra ny hanentana ny olona amin’ny alalan’ny sms manomboka izao ny Airtel rehefa misy hetsika hatao. Paikady iray manafaingana ny fanentanana ny olona mantsy izany, hoy ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka ankoatra ny fampahafantarana amin’ny alalan’ny haino aman-jery. Ny PSI Madagascar no handray andraikitra amin’ny fandrafetana ilay sms haparitaka, izay manana tanjona hampitombo isa ireo olona voakasika, indrindra fa ny reny sy ny zaza. Mahatratra hatrany amin’ny 40 tapitrisa ny sms avy amin’ny Airtel omena maimaim-poana ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka hanomboka amin’ity volana mey ity, haharitra 12 volana. Andro iraisam-pirenena maro no tafiditra ao toy ny andro iraisam-pirenena ho an’ny rano, ny herinandro ho an’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza, ny andro maneran-tany ho an’ny fahasalamana, ny herinandron’ny fanaovam-baksiny…

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT