FANASAN-TANANA ANY AN-TSEKOLY

Mbola vao 7% monja eto amintsika


  • Alatsinainy 12 Aogositra 2024

Mbola tena ambany ny tahan’ny fanasan’ny mpianatra tanana any an-tsekoly eto amintsika.

Vao 7 ka hatramin’ny 8% monja mantsy izany raha misy, tranga izay atahorana hanaparitaka ireo karazan’aretina azo avy amin’ny loto entin’ny tanana mankany am-bava. Manoloana io tranga io dia nanao fanadihadiana tamina sekoly miisa 30 teto amin’ny Faritra Analamanga nahitana ny distrikan’Ambohidratrimo, Manjakandriana, Anjozorobe, Atsimondrano ary Avaradrano ny Water Aid niaraka tamin’ny Ministeran’ny Fahadiovana sy ny Fidiovana. Nandritra ny 2 taona no nanatanterahan’izy ireo ka nahafantarana io salan’isa io. Nohatevenina noho izany ny fanentanana ireo mpianatra mba hazoto hanasa tanana amin’ny savony. Toraka izany koa ny fametrahana toerana hahafahana manasa tanana sy midio isaky ny sekoly ka fantatra fa ny 90% amin’ireo distrika ireo amin’izao no efa manaja izany tanteraka. Toraka izany koa ny fahafahan’ny tovovavy mpianatra midio ara-dalana rehefa tonga fadim-bolana isam-bolana.
Pati
Legende : Hampianarina hanasa tanana dieny mbola kely ny ankizy mba ho fianarana ho azy mandrapahalehibeny !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT