Fahasalamana

Fanasan-tanana amin’ny savony Misoroka aretina am-polony


  • Alarobia 21 Oktobra 2020

Misoroka aretina am-polony ny fanasan-tanana amin’ny savony. Anisan’izany ny aretim-pivalalana, ny aretin’ny taovam-pisefoana, ny aretina coronavirus izay tena malaza tokoa amin’izao….

 

12 taona katroka no niasana tamin’izany fikambanana Happy Women ka anisan’ny asa tena nifotorany ny fanentanana ny mpiara-belona mba hanasa tanana amin’ny rano sy savony. Nanomboka tamin’ny taona 2008 izy ireo no efa nisehatra tamin’izany ka anisan’ny nisantarany ny hetsika ny foibe misy ireo mpiasa ao amin’ny ny Novo comm etsy Andraharo. Toraka izany koa ireo mpanasa lamba sy ireo mpianatry ny EPP eny an-toerana. Samy niaiky araka izany ireo olona nampihatra ny fanentanana natao taminy fa afaka nisoroka 25 ka hatramin’ny 50 % ny aretin’ny taovam-pisefoana sy ny fivalalana tokony nahazo azy sy ny ankohonany. Porofo mivaingana izany hoy Ramatoa Nathalie Rabe filoha mpanorina ny fikambanana fa hahafahana mandresy sy miaro amin’ny Covid 19 ihany koa ny fanasan-tanana amin’ny rano sy savony. Tsy diso anjara tamin’ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny fanasan-tanana ny fikambanana Happy Women tamin’ity taona 2020 ity. Famoahana horontsary fohy niaraka tamin’ny Noco comm no nentiny nanamarihana izany. Miompana amin’ny fihetsika tokony hatao mandritra ny fanasan-tanana io horonan-tsary io ka ireo mpianatry ny EPP eny Andraharo no nanaovana fanentanana voalohany. Nisy ihany koa ny fanamboarana toerana fanasan-tanana teny anivon’ny sekoly mba hampazoto ny ankizy hanao izany.

Pati

Legende : Zava-dehibe ny fampianarana ny ankizy mba hanasa tanana

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT