Fahasalamana

Fanariam-pako eny Andralanitra Niova endrika tanteraka


  • Talata 06 Jona 2017

Endrika vaovao no hita eny amin’ny toeram-panariana fako Andralanitra taorian’ny fahavitan’ny fanajariana, ka nitsanganan’ny fotodrafitrasa sy ny fisian’ny fitaovana hoenti-manajary azy.

 Nakatona tamin’ny fomba ofisialy ny zoma 2 jona teo ny tetikasa “Projet de securité de la charge de la ville d’Andranlanitra” na ny tetikasam-pifehezana sy fanajariana ny toerana fanariana fako Andralanitra, izay novatsian’ny sampandraharaha Frantsay momba ny fampandrosoana (AFD) vola mitentina 2 tapitrisa Euros. Naharitra 10 taona ny tetikasa ka ny kaominina Antananarivo sy ny SAMVA no tompon’ny asa. Maro ireo fotodrafitrasa vita toy ny lalana, ny tetezana, ny Hangar sy ny tamboho manodidina ny toerana misy ny fakon’Andralanitra mirefy 1,600km miampy ireo fitaovana lehibe samihafa. Nampianarina sy nomena fiofanana ihany koa ireo olona maro be nivelona tamin’ny fakon’Andralanitra tany aloha, anisan’ireny ny varotra, ny fambolena, ny fiompiana, ny asa tanana … Notolorana vola 2 hetsy ariary ireo olona nahavita fiofanana hahafahany manomboka manao zavatra sy mivelona tsara. Mikasika ny fambolena manokana dia efa misy ny zezika avy amin’ny fako. Anisan’ny nahavita tetikasa  maro ho an’ireo olona mivelona amin’ny fako ihany koa i Mompera Pedro, toy ny fanomezana ny Village Antaninarenina Andralanitra. Mitohy hatrany ny fiaraha-miasa ary mivelatra amin’ny sehatra tsy miankina toy ny orinasa Akanjo, ny SYCTOM, ny GEVALOR, izay hifehy ny setroka ateraky ny fako ka mahavelon-taraina ireo manodidina. Misy hatrany koa ny fitaizana ny olona hanana toetra mendrika hahafahany miatrika ny fiainany sy hivoatra hatrany amin’ny zavatra atao.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT