Fahasalamana

Fanaraha-maso ny valan’aretina Hofanina ireo mpiasan’ny fahasalamana isam-paritra


  • Alarobia 06 Jolay 2022

Arahi-maso akaiky manomboka izao ny fivoaran'ny valan’aretina misy eny anivon’ny fiaraha-monina ho fitandroana ny fahasalamam-bahoaka.

Amin’ny alalan’ny fanamafisana ny fahaiza-manao sy ny traikefan'ny mpiasan'ny fahasalamana no hanatanterahana izany. Natomboka tamin'ny fomba ofisialy omaly araka izany , ny fampiofanana ireo mpiasan’ny fahasalamana voasivana manokana isam-paritra hisehatra amin’ny ady amin’ny valan’aretina eny ifotony, izay tsapa fa mivoatra manaraka ny toetr’andro ihany koa ankehitriny. Araka ny fantatra dia firenena manodidina ny 70 manerana an'i Afrika no efa mampihatra ity paikady iray ity ka tafiditra ao anatin’izany isika eto Madagasikara. Mandritra ny telo volana no hanofanana ireto mpiantsehatra ireto ka aorian'izany dia hizara sy hampihatra ny traikefa azony any amin’ny distrika misy azy avy izy ireo.Tonga nanome voninahitra ny fanokafana omaly ireo delegasiona avy amin'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka izay notarihan' Andriamatoa Minisitra, ny profesora Zely Arivelo Randriamanantany. Vokatry ny fiaraha-miasa matotra eo amin'ny Fitondram-panjakana Malagasy amin'ny alalan'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka sy ny mpiara-miombon’antoka CDC avy any Amerika, sy ny AFENET moa no hahafahana manatontosa izao fiofanana izao.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fanokafana ny fiofanana omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT