Fanaraha-maso fahasalamana, fitsaboana…

Nampiditra ny Voiladoc ny MVola


  • Talata 23 Aprily 2024

Ankoatran’ny resaka fifanakalozam-bola amin’ny alalan’ny finday na serasera

ampitain-davitra dia fantatra koa ankehitriny, raha ny fanampim-baovao voaray omaly, fa efa azo atao koa ny misitraka fanaraha-maso fahasalamana, fitsaboana, fandoavana sara-pitsaboana sy ny mikasika ny antsoina hoe tolotra ara-pahasalamana rehetra amin’ny alalan’ny antsoina hoe Voiladoc. Nampiditra ity tolotra na «application» ity ao anaty finday ny orinasam-pifandraisan-davitra, MVola, hoy ny fanazavana, mba hanamorana izay fisitrahana tolotra ara-pahasalamana izay, indrindra, ho an’ireo toerana lavitra sy ambanivohitra. 24ora/7andro dia azo atao ny mamandrika fihaonana amin’ireo mpitsabo mifandraika amin’izany. Mpitsabo tena matihanina sy manana ny mari-pahaizana mifandraika amin’izany no mandray ireo mila izany amin’ny alalan’ity tolotra ity, raha ny fanazavana voaray omaly hatrany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT