FANAOVAM-BAKSINY NY ZAZA

Nitontonganabe nanomboka tamin’ny taona 2019


  • Alarobia 10 Jolay 2024

Nitontonganabe ny tahan’ny fanaovam-baksiny ny zaza vao teraka ka hatramin’ny 18 taona

teto amintsika nanomboka ny taona 2019, raha araka ny fanazavan’ny Medecin inspecteur Andriamahatsiaro Rijaniaina. Manerana ny tobim-pahasalamana mihitsy no nahitana taratra izany raha araka ny fanazavany. Misy koa anefa hoy izy ireo entin’ny Ray aman-dReniny manao vaksiny ihany saingy amin’ilay voalohany iny fotsiny dia tsy mitohy intsony izany. Antony hanatanterahana matetika ilay hetsika fanaovam-baksiny faobe hiadiana amin’ny aretina lefakozatra, izay nosokafana tamim-pomba ofisialy omaly Talata 09 Jolay tetsy amin’ny Fokontany Anosizato Atsinanana I izany ho an’Antananarivo renivohitra, haharitra 4 andro. Ireo zaza vao teraka ka hatramin’ny 18 taona no ezahina hahazo tombontsoa amin’izany manerana ny Nosy, hatete indroa ao am-bava, tsy handoavam-bola ihany koa, natao indrindra hanamafisana ny hery fiarovana any anatin’ny ankizy. Tsiahivina moa fa mety hampalemy tanteraka ny ankizy ny aretina lefakozatra. Mahafaty tampoka ihany koa izy raha tsy voatsabo. Avy amin’ny fiparitahan’ny diky na maloto eny rehetra eny ka tonga hatrany am-bava no antony mahatonga ny aretina. Ho an’ireo mponina miisa 25.000 monina ao anatin’ny Fokontany Anosizato Atsinanana I manokana dia fantatra fa hanamboatra trano fivoahana ho an’ny daholobe ho azy ireo ny Sefom-pokontany Rafanomezantsoa Jean Nirina hisorohana ny mety ho fiparitahan’ny aretina. Nambarany fa na dia tena maro olona sahirana aza ao amin’ny Fokontany misy azy dia tsy vita ao anatin’ny iray andro ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Vao iray volana rahateo no nandraisany ny fitantanana ity Fokontany iray ity ka hiezaka hanao izay tratry ny heriny ny tenany hamahana ny olan’ny mponina. Tonga nanotrona ny fotoana omaly ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, ny lefitry ny lehiben’ny distrikan’Antananarivo renivohitra, ny Medecin inspecteur, ireo mpanentana ara-pahasalamana ary ireo sefom-pokontany maro samihafa.
Pati
Legende : Antony hanatanterahana ny fanaovam-baksiny faobe iadiana amin’ny aretina lefankozatra tahaka izao izany !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT