Fahasalamana

Fanampian’i Etazonia Tonga ny vaksiny Janssen 336 000 isa


  • Talata 26 Oktobra 2021

Nanolotra vaksiny fanampiny hiadiana miisa 336 000 ho an’i Madagasikara hiadiana amin’ny covid-19 i Etazonia, izay mifanandrify indrindra amin’ny vanim-potoana hanokafana ny sisin-tanintsika.

 Vaksiny Johnson & Johnson na « Janssen » izay tsindrona tsy ilana famerenana, fanomezana avy amin’ny vahoaka Amerikana, notsenaina omaly 25 oktobra teny amin’ny sranam-piaramanidina Ivato. Ny fiaraha-miasa akaiky teo amin’i Etazonia sy ny COVAX ary ny vondrona Afrikana no angady nananana izany. “Ny fahavitan’ny maro an’isa vaksiny dia tombony ho an’i Madagasikara amin’ny fiatrehana ny ambana amin’ny areti-mifindra", hoy ny Mpiandraiki-draharaha Amerikana Amy Hyatt. “Miantso ny rehetra aho hisitraka ny vaksiny. Mandehana manao vaksiny. Arovy ny tenanao, arovy ny ankohonanao, ary arovy ny manodidina anao. Isika miaraka no handresy io valanaretina io”, hoy hatrany izy. Tamin’ny volana jolay dia efa nanolotra Janssen miisa 302 750 i Etazonia tao anatin’ny fampanantenana nataon’ny fitondran’ny Filoha Biden sy ny Sekreteram-panjakana Kamala Harris ny hizara ireo tahirim-baksiny Amerikana amin’izao tontolo izao. Vaksiny mihoatra ny 200 tapitrisa no efa nomen’ny firenena Amerikana ny firenana 100 maneran-tany ary ny Filoha Biden dia mbola nampanantena ny hanolotra vaksiny miisa 1100 tapitrisa ho an’ireo firenena tena mila izany, mba handresena ny valanaretina, ahafahana manao fanarenana ara-toekarena. Ho an’i Madagasikara manokana dia niara-niasa toy ny “mpirahalahy mianala” tamin’ny governemanta i Etazonia ho fiarovana ny fahasalamam-bahoaka. Ny Sampan-draharaha Amerikana Misahana ny Fampandrosoana (USAID) dia nanolotra vola mitetina 5 100 000 dolara tamin’ny anaran’ny vahoaka amerikana ho fanohanana ireo tobim-pahasalamana akaiky ny vahoaka sy hanatsarana ny fanaovam-baksiny; 2 500 000 dolara hitaterana sy hanapariahana ny vaksiny, hampitomboina isa ny fitiliana ireo areti-mifindra ary hanomezana fitaovana fiarovana ho an’ireo mpitsabo malagasy izay lohalaharana amin’ny ady hiatrehana ny aretina; 5 tapitrisa dolara ho an’ny fandaharan’asa Tosika Fameno ho fanohanana ireo ankohonana sahirana ho afaka hisakafo. Anisan’ireo manohana ny governemanta Malagasy amin’ny ezaka fanaovam-baksiny ihany koa ny Peace Corps.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT