Manankery amin'ny fihiboana "confinement" ao an-trano ve ny tokony hisian'ny elanelana 1 metatra isan'olona ?
Somary mahavariana ihany mantsy raha ny zava-misy tazana teny am-dalambe teny afak’omaly talata sy omaly alarobia nanerana ny lalana izay nandalovan'ny mpanao gazety fa marobe ireo olon-droa lahy sy vavy no mifampitantana an-dalana tena malai-misaraka aok'izany. Ny eny amin’ireo epicerie sy toeam-pivarotana maro ihany koa dia tazana fa mifanisika ny olona hividy entana, tsy voahaja ilay iray metatra.Ankoatr’izay tazana fa mbola maro ihany koa ireo olona mifandray tanana rehefa mifampiarahaba na mifanao veloma.Tsy tafita ve ny toromarika sa ny olona sasany no tsy dia mivaky loha firy amin’ny Coronavirus ? Ny filoham-pirenena dia mamerimberina tamin’ireo resaka nataony fa ilaina apetraka eto Mafagasikara ny fanajana nyfitsipika (discipline); tena mora ho antsika ny mandresy io aretina io rehefa manaraka “discipline” isika, hoy izy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.