Fahasalamana

Fanaintainan’ny nerf sciatique Mety noho ny fipetrahana maharitra loatra


  • Alarobia 31 Aogositra 2022

Mahavoa ny nerf sciatique ny fipetrahan’ny olona iray maharitra loatra ambony seza.

Voakasik’izany ireo mpiasa birao. Mihisaka amin’ny toerana tokony hisy azy mantsy ilay hozatra kely mandalo any amin’ny taolan-damosina iny izay mitarika fanaintainana be tokoa raha araka ny fanazavan’Atoa Mandimbison Rija, mpitsabo eo anivon’ny Centre Aina Soa. Anisan’ny mahavoa ny nerf sciatique ihany koa ny fibatana entana mavesatra loatra, ny fanandramana ny tanjaky ny tena, ny tsy fahaizana mibata entana….Tsy sitram-panafody anefa ny nerf sciatique na ny aretim-balahana fa tsy maintsy amin’ny alalan’ny otra ihany no hahafahana manasitrana azy. Ho an’ireo mpanotra tsy mahay ihany koa anefa dia fantatra fa mety hiteraka fahalemena ho an’ilay olona tratran’ny nerf sciatique ny tsy fahafehezana izany ka ilana fitandremana fatratra. Tsy hanavahana sokajin-taona moa ireo olona tratran’ity aretim-balahana ity fa mety ho voany daholo rehefa tsy mitandrina. Sarotra ho an’ny olona tratrany araka izany ny hiondrika. Toraka izany ihany koa ny miarina eo am-pandriana rehefa matory.
Pati 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

Hijery ny tohiny
FTT