Fahasalamana

Fanafody tsy ara-dalàna amidy etsy sy eroa Mitaraina mafy ireo farmasiana


  • Alarobia 27 Febroary 2019

Mihamahazo vahana hatrany ireo varotra fanafody tsy ara-dalàna eto amintsika. Ankoatra ireo fahita mahazatra eny amin’ny tsena madinika toy ny épicerie dia tsy lazaina intsony ny eny Ambohipo izay toerana ahitana ireo karazam-panafody rehetra amin’ny vidiny mora.

 

 Raha araka ny fanadihadiana natao dia ireo olona manana aretina mitaiza tsy maintsy mihinana fanafody mandavan-taona sy ireo manana ny marary eny amin’ny hopitaly no tena mpanjifan’izy ireny. Ny olana anefa dia misy amin’ireo fanafody hamidin’ireo  fianakaviana mivelona amin’izany no efa lany daty raha araka ny fijoroana vavolombelona nataona marary iray ka vao mainka mampitombo ny aretina mahazo azy. Misy fiantraikany  goavana amin’ireo farmasiana ihany koa ity varotra fanafody tsy ara-dalàna eto amintsika ity. Araka ny fanadihadiana natao mantsy dia mihena an-toerana hatrany ireo mpanjifan’izy ireo fa lasa mitady ireny mpivarotra fanafody amoron-dalana sady mora ireny. Tsy hitanay izay  hatao, hoy ny farmasiana iray satria ny fanjakana aza tsy mandray ny andraikiny. Raha ny fantatra dia efa eo am-pamolavolana paikady hanenjehana azy ireny ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka ankehitriny koa andrasana izay mety ho vokany.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT