Fahasalamana

Fanafody pesta, TDR mampiahiahy… Manazava ny Dr Ratsirarson Josea


  • Alakamisy 26 Oktobra 2017

Na dia mbola mahazo vahana aza ny aretina pesta eto amintsika dia tsy tokony hihinana fanafody ireo olona tsy marary mba hahazoana vokatra mahomby hatrany amin’ny fitsaboana ny marary.

 

Tsy maintsy mihinana chimioprophylaxie  kosa anefa ireo olona akaikiny, hoy ny dokotera Ratsirarson Josea,  sekretera jeneraly eo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka ary ny mpiasan’ny fahasalamana irery ihany no mamaritra ny  karazam-panafody hanina  fa tsy izay tiana akory. Tsy mihinam-panafody kosa  ny  vady aman-janak’ilay olona voan’ny pesta na mpiara-miasa na namana akaiky fa izay tena akaikin’ny marary sy nifampikasokasoka taminy ihany no homana. Mikasika ilay feo mandeha fa diso na marina ny vokatra havoakan’ilay fitaovana fitsapana ny aretina pesta na ny TDR dia nanambara izy fa tsy ny maha positif na négatif ny vokatra azo no zava-dehibe fa ny fahafantarana ny olona iray ahiahiana ho voan’ny pesta ary efa raisina an-tanana sy omena ny fitsaboana sahaza azy avy hatrany. Nomarihiny manokana fa raha manaporofo tokoa fa « positif » ny olona iray avy jerena amin’ny alalan’ny TDR dia mbola mandalo any amin’ny Institut Pasteur  Avaradoha ny vokatra hatao fanadihadiana fa tsy mijanona fotsiny amin’izao.


Nisy ny olona nijoro vavolombelona fa raha natao ny TDR hitiliana ny pesta ny olona nifanerasera miisa 6 dia nanondro fa « positif » ny dimy ary « négatif » ny iray. Rehefa nalefa teny amin’ny Institut Pasteur nohamarinina anefa dia nivoaka fa « négatif » indray ny TDR an’ireo olona 5, izany hoe tsy voan’ny pesta izy ireo. Efa nanaraka fitsaboana amin’ilay mitsindrona isaky ny adiny 3 nandritra ny 8 andro anefa izy ireo.Ary ilay iray nambara fa « négatif » na tsy voan’ny pesta no « positif », izany hoe tena voa. Nifamadika mihitsy izany ny voka-pitiliana teto ka ny tsy narary notsaboina fa ilay tena narary navotsotra. Raha ny fantatra dia efa samy nihinana ilay pilina doxycicline izy rehetra ireo ka tsy mbola nisy ny maty aloha hatreto.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT