FANAFODY HO AN’NY FARITRA ATSIMO

Vonona hamatsy vola ny Salama ny Vondrona Eoropeana


  • Alarobia 27 Martsa 2024

Mitana anjara toerana goavana amin'ny kalitao ny tolotra fanafody sy kojakojam-pahasalamana

ho anireo tobim-pahasalamana miankina amin’ny fanjakana manerana ny Nosy. Hatreto dia ny tobim-pamatsiana Salama no mamatsy azy izay mahatratra an-jatony. Nisy araka izany ny fifanaovan-tsonia famatsiam-bola hahafahana manatsara sy manamafy ny famatsiana fanafody araka ny filàn'ny mponina, fa indrindra hanitarana ny toerana fitahirizana, ho an'ny Faritra Atsimon’ny ny Nosy. Tetsy amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka Ambohidahy no nanatontosana izany omaly Talata 26 Martsa. Tonga nanome voninahitra ity fifanarahana teo anivon'ny Salama sy ny Vondrona Eropeanina tamin'ny alalan'ny AFD ity ny Sekretera Jeneralin'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka, Dr Léthicia Lydia Yasmine. Fantatra moa fa hanomboka tsy ho ela ny asa amin’ny fanitarana ireo toerana fitehirizana fanafody mba tsy hanana olana intsony ny marary, indrindra fa ireo vehivavy tonga hiteraka sy ireo manaraka ny fomba fandrindram-piainam-pianakaviana.


Pati
Legende Nandritra ny fifanaovan-tsonia notanterahina omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT