Fahasalamana

Fanafody generika Mitobaka eny anivon’ny toeram-pivarotam-panafody


  • Zoma 08 Martsa 2019

Manomboka miparitaka be sy mahazo vahana eny anivon’ireo toeram-pivarotam-panafody maro isan-tsokajiny amin’izao ny fanafody generika.

 

 

Tena betsaka izy ireny raha araka ny fanazavan’ny farmasianina iray sendra anay. Mitovy amin’ny fanafody  voatokana hitsaboana ny aretina iray ihany ny asany.  Mora kokoa ny vidin’ny fanafody generika izay nomarihin’ity farmasianina ity fa misy dikany ihany koa fa tsy azo hodian-tsy hita. Nohazavainy fa miankina amin’ny olona iray marary ihany  ny mety hahasitrana azy amin’ny alalan’ny fividianana fanafody generika na tsia. Misy ihany koa anefa, hoy izy ireo dokotera mitsabo no tena sarotiny satria tsy manaiky ny hampiasana ireny fanafody generika ireny izy ireo fa tsy maintsy ilay voatokana hitsaboana ny aretina mihitsy no tadiavina mba hahazoana fahasitranana haingana. Midika izay fa mbola miavaka ihany ny fanafody voatokana hitsaboana ny aretina iray. Misy amin’ireo fanafody generika ihany koa amin’izao no misy soratra mihitsy hoe : generika tena tsara.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT