Fahasalamana

Fanafody avy amin’ny artemisia Manomboka dinganin’ny firenen-kafa i Madagasikara…


  • Alarobia 20 Mey 2020

Manomboka sesilany ny fikarohana miainga amin’ny artemisia manaraka ny dian’i Madagasikara. Raha firaisan-tsaina sy hambo-po Afrikanina no nafana teo aloha, dia manomboka misy misalovana i Madagasikara.

 Aiza ireo komity siantifika niketrika azy io? Nisy ireo vondrona manam-pahaizana niahiahy saingy nangina tanteraka. Adihevitra be mandrak’androany ny raharaha CVO, izay tsy hoe ratsy fa misy zavatra tokony hampiana na hatsaraina sy porofoina mba hampisinda ny ahiahy. Voa mafy ny manam-pahaizana Malagasy raha misy mangalatra ny fikarohantsika satria nisy herim-po tao. Zavatra mbola tsy voaharo, dia efa homentsika ny vahiny. Manomboka halain’ny olona sy mody hamboamboariny ny fikarohana na mety halainy sy mody hatsaratsarainy mihitsy “formule” hitan’i Madagasikara. Ilay dokotera Congolais Jérôme Munyangi, avy sesin-tany tany Frantsa , ohatra, dia ny Filohany Félix Tshisekedi mihitsy no nampaka azy, ary milaza ny hanao fikarohana momba ny Artemisia I RD Congo. Niasa tamin’ny “Maison de l’artemisia” tany Frantsa izay nandefa ilay taratasy tamin’ny Filoham-pirenena Malagasy izy ary naneho, fa samy nitadiavan’io ONG io fiaraha-miasa ny firenena Afrikanina maro, ka isan’izany I Madagasikara. Milaza fa manao “essai Clinique” ary manana “protocole” mazava izay efa natao tolo-kevitra tamin’ny Vondrona Afrikanina sy ny OMS. Ny an’i Madagasikara dia tsy misy “protocole clinique”, hoy izy. Tisane ny azy ireo izay Artemisia miampy zava-maniry fitsaboana hafa. Ny anay dia “Protocole” ary misy sary (schéma) mazava sy manaraka tsara ny fenitra na ny “norme de la recherche scientifique” fa tsy tahaka ny an’i Madagasikara, hoy io Dokotera Congolais io nanamaivana ny antsika.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpitsabo nentim-paharazana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

«Mitaraina ho tian’ny olafitry

  • TONGA HATRANY
  • Talata 28 Aprily 2026

MAHAJANGA NY AMBALAVELONA

  • Dokotera mpitsabo biby
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Tena antoky ny fanajarian-tsakafo sy ny fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT