Fahasalamana

Fanafoanana ny lefakozatra Handalo fanadinana indray i Madagasikara


  • Alakamisy 03 Mey 2018

Omaly no natomboka tetsy amin’ny hotely Ibis Ankorondrano ny atrikasa hijerena sy hanamarinana ny zavatra vitan’i Madagasikara momba ny ady amin’ny fanafoanana ny lefakozatra.

Handeha ho any Abuja Nigeria mihitsy, araka izany, ny solontenan’i Madagasikara amin’ny volana jona hitondra ny antontan-taratasysy ny zava-bita ahafahana manaporofo ny tsy fisian’ny lefakozatra intsony eto amin’ny firenena Malagasy. Jerena isaky ny toeram-pitsaboana mantsy ireo taratasy ireo ahitana ny zavatra misy marina sy ny ezaka ary ny vahaolana noraisina tamin’ny tranga nisy  ary misy. Tarafina ifotony mihitsy hatreny amin’ny hopitaly, indrindra any amin’ny toerana ambanivohitra, mba hifanaraka amin’ny tahirin-kevitra  misy. Misy ny dingana maro sy ny fenitra takiana vao azo lazaina ho fongana tanteraka ny lefakozatra eto Madagasikara. Anisan’izany ny fijerena ny tahan’ny fanaovana vaksiny  fanefitra tahaka ny FAV POLIO  izay tokony hakarina hatrany eto Madagasikara, araka ny tatitry ny tompon’andraikitra. Eo ihany koa ny tokony hanatonana haingana ny Institut Pasteur 14 andro farafahatarany rehefa mahita  trangana lefakozatra mba hisorohana haingana ny aretina. Manoloana izany dia olana ihany koa aloha ny fahatongavan’ny tatitra any amin’ny faritra rehetra aorian’ny fanatanterahana ny ezaka sy ny ady amin’ity lefakozatra ity indrindra any amin’ireny toerana saro-dalana ireny. Nisy ny fifanarahana miaraka amin’ny minisitry ny fitaterana mba ahafahana manafaingana ny fahatongavan’ireo valin’ny fanadihadiana. Taraiky hatrany ny tatitra kanefa  ireny no hanaporofoana fa fongana ny lefakozatra eto Madagasikara.

Tsiry

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT