Fahasalamana

Fanadiovana tanàna taorian’i AVA Mila vanona amin’ireo fikambanana hafa ny HVM


  • Talata 09 Janoary 2018

Tsy nitaza-potsiny ny loto sy fako ary ireo tapa-kazo mameno ny tananan’i Toamasina ny fikambanana sosialy FIMAMI na Fikambanana Malagasy Mijoro, notarihan’ny filoham-boninahiny ny senatera Benesy Harison Sebastien, sy ny filohan’ny fikambanana Mananjara Auguste,

 omaly fa nitarika ireo mpikambana an’arivony tao aminy nanadio tanana, sy nanaisotra ireo fako sy tapa-kazo zary lasa sakana mahatonga fitohanana tamin’ny arabe nanomboka ny sabotsy teo. Natomboka tao amin’ny lalana hopitaly kely nandalo tao Tanamakoa izay tena nisy fako nanakan-dalana ary tonga hatrany Valpinson ny fanadiovana nataon’izy ireo omaly tontolo ny andro; hitohy amin’ny fanaiovana ny araben’ny fahalevan-tena sy ao Ambolomadinika ny asa tanamaro izay sady vola ho an’ny mpikambana no fanadiovana ny tanana iombonana ny asa ataon’izy ireo anio. Taorian’ny fandalovan’ny rivo-doza “AVA” ka niteraka loto eran’ny tanana izao dia iadivan’ny HVM avokoa ireo fikambanana miezaka mandray ny andraikiny manampy ny mpiara-monina sy ny tanana iombonana amin’izao. Mihevitra ny hiasa irery amin’ny fidedahana eo imason’ny olona fa miasa izy ireo; ka ireo fikambanana rehetra miezaka mandray anjara amin’ny fanadiovana ny tanana dia misedra olana avokoa amin’ny ataon’ireo ekipan’ny HVM ao Toamasina ireo. Nandritra ny fandalovan’ny filohan’ny antenimierandoholona no filohan’ny antoko HVM tany an-toerana ny alahady teo anefa no nilazany fa “aoka isika hifaninana amin’ny tsara amin’izao fahavoazana mianjady amin’ny vahoaka izao, tsy ho lany andro ifanenjika etsy sy eroa intsony”.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT