Fahasalamana

FANADIOVANA NY AO ANATY VATANA “ Indroa isan-taona no tokony hanao detox”


  • Alakamisy 07 Jolay 2022

Tena ilaina ny fanadiovana na ny fampiasana ny “detox” amin’ny vatana mba hahazoana fahasalamana. Raha araka ny fanazavan’Atoa Mandimbison Rija,

tompon’andraikitra eo anivon’ny Centre Aina Soa etsy Namontana dia indroa isan-taona ny olona iray no tokony hanao izany farafahakeliny. Ho fanadiovana ny vatana vokatry ny fihinanana ireo karazan-tsakafo maro isan-karazany no anton’izany ka anisan’ireny ireo sakafo misy akora simika. Toraka izany koa ny menaka biby sy ireo karazana menaka maloto be kolesterola tafiditra ao anatin’ny vatana izay mankany amin’ny ra antony manosika ny aty tsy hiasa tsara intsony. Ny fihinanana legioma sy voankazo betsaka araka izany dia anisan’ny toro-hevitra nomeny hahafahana mamono ireo karazana loto tafiditra ao anatin’ny vatana. Toraka izany koa ny fisotroana ranom-boankazo vita amin’ny voasary pamplemosy ka ilay efa miloko mena iny no tsara ahodina dia sotroina avy eo. Ho an’ireo tsy manam-potoana na tsy afaka manao izany kosa dia nambarany fa manana « detox » tsara ihany koa ny Centre izay azo sotroina sy hampiasaina avy hatrany ho fitandroana ny fahasalamana. Mety moa na dia ho an’ny ankizy aza ny fanaovana detox.
Pati
Legende : Mandimbison Rija, tompon’andraikitra eo anivon’ny Cente Aina Soa !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT