Fahasalamana

Fanadiovana faobe Tontosaina anio tontolo andro


  • Alarobia 10 Janoary 2018

Tantontosaina anio tontolo andro fanadiovana faobe manerana an’i Madagasikara mba hiadiana amin’ny aretina Pesta, araka ny didim-panjakana laharan 2017-1156; andro tsy iasana kanefa handraisan-karama noho izany ny anio 10 janoary 2018.

 

Hifampitaona any am-piasana ny ny rehetra ny tapany maraina ka hifarimbona amin’ny fanadiovana ny birao sy ny faritra manodidina azy ka hitohy amin’ny fandaminana maro samihafa.Hamonjy ny tokantrano kosa ny tsirairay ny tolakandro sy ny hariva ka hanao ny fanadiovana miaraka amin’ny fianakaviana sy ny fokontany, satria tsy maintsy ho diovina ny lalana, ny elakelan-trano, ny tatatra sns….Izay ny fandaminana amin’ny ankapobeny saingy mety samy manana ny fomba fiasany moa ny tsirairay sy ny toeram-piasana.Mbola nanamafy omaly ny minisiteran’ny fahasalamana fa zava-dehibe ny asa fanadiovana satria ny fahadiovana no antoky ny fahasalamana, ka tompon’andrraikitra ny tsirairay.Ny tsy mandoto dia efa manadio, fiovana toe-tsaina no tena takiana ka hiezaka ny rehetra manomboka anio mba tsy ho fainga-tanana hanipy zavatra etsy sy eroa eny an-dalambe eny fa kosa hanary ny fako n any faran’ny bitika aza any anaty dabam-pako n any toerana natokana ho amin’izany.Handray anjara amin’ity asa fanadidovana ity  ihany koa ny filoham-pirenena anio manomboka amin’ny 9ora maraina eny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT