Fahasalamana

Fanadiovana an’i Toamasina Efa nanomboka afak’omaly


  • Alakamisy 11 Janoary 2018

Mavesatra ny takaitra navelan’i AVA ao Toamasina. Tapaka efa ho 5 andro ny jiro sy ny rano ka ireo olona manana milina mpamokatra herinaratra ihany sisa no nahita mazava sy afaka nihaino radio.

Potika hatrany amin’ny 10 % ihany koa ny fotodrafitrasa, voabahan’ny hazo nazeran’ny rivotra ny arabe, miampy ireo fako avy any an-tranon’olona niniana navoaka teny amin’ny arabe ka nampitombo ho avo roa heny ny fako noraofin’ny kaominina. Tsy niandry ela ny Ben’ny tanàna Elysée Ratsiraka nanoloana izany fa niantso ireo malala-tanana sy mpiara-miombon’antoka aminy mba hifanohana aminy amin’ny asa fanadiovana ny tanàna. Anisan’ireny ny Jovena, ny Galana, ny Sikonina, ny Telma… izay nahazoana nampiasa Engins miisa 40. Natomboka afaka omaly avy hatrany ny asa fanadiovana  noho izany notronin’ireo mpiasan’ny kaominina rehetra sy ireo olon-tsotra mivondrona ao anatin’ny fikambanana Appel. Notsindrian’ny Ben’ny tanàna Elysée Ratsiraka fa hovitaina ato anatin’ny 72 ora ny asa fanadiovana ny tanànan’i Toamasina. Tsy afaka hiandry ny tsy afaka isika na dia tanàna iaraha-manana aza i Toamasina. Tsiahivina moa fa nahatratra 100 ireo traboina ao Toamasina nafindra monina ao amin’ny gymnase Soavita amin’izao fotoana izao ka ny vadin’ny Ben’ny tanàna Juliana Ratsiraka no mandray an-tanana azy ireo. Omena sakafo maraina, atoandro sy hariva izy ireo raha nojereny manokana ihany koa ilay fianakaviana maty vady. Mbola nampanantena moa Rtoa vadin’ny Ben’ny tanana fa hanao asa soa ho an’ireo vehivavy ao Toamasina ihany koa ny datin’ny  08 martsa ho avy izao.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT