Fahasalamana

Fanadiovana an’Antananarivo Hanampy ny SAMVA ny kaominina


  • Alarobia 11 Oktobra 2017

Nisy ny fivoriana maika omaly maraina tao amin’ny lapan’ny tanàna Analakely teo amin’ny ny mpiara-miasa akaiky tamin’ny ben’ny tanàna notarihan-dramatoa Lalao Ravalomanana.

Lahadinika tamin’izany ny momba ny fanadiovana ny tanàna manoloana ny fihanaky ny aretina pesta. Resy lahatra ny rehetra fa tsy maintsy hamafisina ny fanadiovana sy ny fandraofana ny fako manerana an’Antananarivo Renivohitra .

Ny manahirana anefa, raha raofina ny fako dia tsy hita izay hametrahana azy satria feno hipoka ny ireo dabam-pako. Tsy anjaran’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra (CUA) ny mitaona ireny fa an’ny SAMVA  izay mandray baiko avy  amin’ny fitondrana foibe avy amin’ny alalan’ny minisiteran’ny rano. Tsy ampy rahateo ny isan’ireo dabam-pako misy. Milanja 1.500 taonina isan’andro ny fako eto Antananarivo-Renivohitra, ary fiarabe  80  vao mahatatitra azy. Notsindrian’ny mpanolotsaina manokan’ny ben’ny tanàna Atoa Marc Ravalomanana nandritra ny fivoriana, fa mba hisian’ny mangarahara momba ny kabarin’ny praiminisitra tetsy amin’ny Hotel Carlton dia takian’ny kaominina Antananarivo Renivohitra antontan-taratasy manaporofo ny “mandatement” sy ny “ordre de paiement” nandefasan’ny fanjakana foibe ny vola fanampiana ho an’ny kaominina fa tsy atao resaka anaty kabary fotsiny. Nanamafy Atoa Roland Ravatomanga anisan’ireo mpira-miasa akaiky amin’ny ben’ny tanàna fa tsy misy io vola fanampiana io ny taona 2015, 2016 rehefa natao ny fanadihadiana teo anivon’ny tompon’andraikitra ara-bolan’ny kaominina. Notsipihany kosa anefa fa efa nokarohan’ny kaominina ny fomba hahafahana manampy ny SAMVA amin’ny fandraofana ny fako ary azo tanterahana tsara izany rehefa mifanaraka mazava. Mety ilay hoe “operation coup de poing” kasain’ny fitondram-panjakana atao hanadiovana ny renivohitra ary afaka miara-miasa amin’izy ireo ao anatin’izany ny CUA mba ho tombotsoan’ny besinimaro, hoy izy. Mijery sy mitsinjo hatrany izay mahasoa ny vahoakan’Antananarivo ny mpitantana ny kaominina ary vonona amin’ny fiaraha-miasa rehetra amin-kitsim-po sy ao anatin’ny fanajana ny lalàna raha araka ny fivoriana omaly teny Analakely. Ho hita eo raha mba nahare ihany izao antso izao ka hanova famindra ny fitondrana foibe.


RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT