Fahasalamana

Fanabeazana ara-pananahana Hiara-kiasa amin’ny « Sexologue » ry Jean Nirina


  • Zoma 02 Oktobra 2020

Manana olana amin’ny firaisana ara-nofo avokoa ny 85 %-n’ny tokantrano Malagasy amin’izao.

 

Noho ny fitiavan-tenan’ny lehilahy raha araka ny fanazavan’Andriamasinirina Jeruville, anisan’ny sexologue voalohany nahasahy niresaka ny olan’ny firaisana ara-nofo teto Madagasikara no mahatonga izany. Nahitsiny mihitsy fa tsy mahay manao firaisana ara-nofo ny ankamaroan’ny lehilahy fa rehefa teren’ny filàna izy dia manery ny vadiny fotsiny nefa mbola tsy vonona na tsy afa-po akory amin’ny fihetsika tokony hatao aminy ity farany. Mitombo andro aman’alina ireo olona lasa mampirafy noho izany. Voatery mitady hafinaretana any ivelany mantsy ilay vehivavy rehefa tsy mahafa-po azy ny vadiny. Toraka izany koa ny aretina azo avo amin’ny firaisana ara-nofo sy ny fijangajangana ankoatra ny fangatahana fisaraham-panambadiana eny amin’ny tribonaly. Hamaha io olana ifotony izay manakorontana ny tokantrano Malagasy io araka izany ity manam-pahaizana manokana momba ny resaka fananana ity sy Rafanomezantsoa Jean Nirina, tale jeneralin’ny orinasa Mpitsabo Malagasy FITRAMA. Hisy ny ivon-toerana hatsangan’izy ireo hampianatra ny mpivady rano fotsiny momba ny resaka firaisana ara-nofo izay miaraka amin’ny FITRAMA ihany. Anisan’izany ny ao Mahitsy, Imerinafovoany, Sainte Marie, Tsiroanomandidy, Miarinarivo, Antsirabe, Toamasina, Mahanoro, Vatomandry, Miandrivazo, Ambositra, Ambatondrazaka, Toliara, Moramanga…. Tanjona kendren’izy ireo ny hahatonga ny mpivady hahay hifankatia sy haneho izany amin’ny rehetra hisorohana ny fisaraham-panambadiana izay tena mahazo vahana tokoa eto amintsika. Tsiahivina moa fa tsingerin-taonan-dRafanomezantsoa Jean Nirina omaly, antony nananganany zava-baovao indray , indrindra fa ireo tsy misy mpikitika nefa tena manan-danja hanampiana ny mpiray Tanindrazana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT