Manao ezaka goavana hatrany ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’izao fotoana izao manentana ny Reny Malagasy ny amin’ny tokony hampinonoana tsy misy fangarony ny zaza vao teraka mandrapahatongan’ny faha-enim-bolany.
Na izany aza anefa dia fantatra fa ny 64 %-n’izy ireny ihany no mbola mahavita izany hatreto, raha 100 % no tanjona. Antony maro no mahatonga izany amin’ny ankapobeny toy ny fitadiavana ateraky ny fahampiana mianjady amin’ny isan-tokantrano ankehitriny, ny Reny miasa ivelan’ny tokantrano raha eo ihany koa ireo orinasa tsy manaiky ny hametrahana ivon-toerana fampinonoana zaza ao amin’ny faritra misy azy. Vokany, betsaka amin’ireo zaza vao teraka no tsy afaka minono ara-dalàna amin-dReniny intsony manomboka eo amin’ny faharoa volany. Ny nono ihany anefa raha araka ny fanadihadiana natao no hany mitondra hery sy otrik’aina betsaka hahafahan’ny ati-dohan’ny zaza mitombo hatreo amin’ny fahatelo taonany. Ny nono ihany koa no hany tokana miaro azy ireny amin’ireo karazan’aretina maro samihafa raha oharina amin’ny sakafo hafa. Nankalazaina nanomboka omaly ny androm-pirenena ho an’ny fampinonoan-dReny eto amintsika. Haharitra efatra andro izany ka misy hatrany ny fanentanana hatao amin’ny vehivavy ny amin’ny tokony hampinonoana tsy mitsahatra ireny tsy manan-tsiny ireny, vao teraka ka hatramin’ny faha-enim-bolany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.