Fahasalamana

Fampihenana ny fahafatesan’ny reny sy ny zaza Nankasitraka ireo mpitsabo Rtoa Voahangy Rajaonarimampianina


  • Talata 28 Novambra 2017

Mba hahafahana mampihena ny taham-pahafatesan’ny reny sy ny zaza eo am-piterahana dia notoloran-dRtoa Voahangy Rajaonarimampianina mari-pankasitrahana avokoa ireo tompon’andraikitra ara-pahasalamana eny anivon’ireo tobim-pitsaboana CSB II eto amintsika, manatanteraka ilay tetikasa CARMMA (Campagne pour l’Accélération de la Réduction de la Mortalité Maternelle et Infantile en Afrique).

 

Teny amin’ny lapam-panjakana Ambohitsirohitra no nanatanterahana izany, ho fampirisihina ireo tompon’andraikitra ara-pahasalamana ireo hanao ny tsara kokoa hatrany. Andiany faharoa ity fanolorana mari-pankasitrahana sy valisoa notanterahiny ity, tamin’ity taona 2017 ity. Tanjona ny hahafahana mampihena hatrany ny taham-pahafatesan’ny reny sy ny zaza eo am-piterahana aty Afrika, hetsika hiarahana amin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Miisa 88 izy ireo no nahazo tombontsoa, narahina fanolorana fitaovana sy kojakoja toy ny solosaina, finday, fanamiana hanaovana rehefa mandray marary, fitaovam-pitaterana toy ny bisikileta… Nahatratra 478 amin’ny 100.000  ireo zaza namoy ny ainy teo am-piterahana, tamin’ny taona 2012, izay niakatra hatrany amin’ny 498 tamin’ny taona 2009. Vehivavy 10 isan’andro kosa no mamoy ny ainy eo am-piterahana, vokatr’ireo karazan’olana maro samihafa mifandraika amin’ny vohoka sy ny fiterahana, ka ny telo amin’ireo dia tsy ampy taona avokoa.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT