Fahasalamana

Fampiasana menaka mandry Mety hankarary, hoy ny mpitsabo


  • Alatsinainy 12 Febroary 2018

Saika misafidy ny menaka mandry avokoa ny ankamaroan’ireo olona tonga mividy menaka eny an-tsena, raha ny fanadihadiana natao. Sady mora mantsy ny vidin’izy ireny amin’ny ankapobeny satria dia 4.000 Ar ny iray litatra no mitombo ihany koa rehefa hafanaina anaty lapoaly.

 

 Mitombo 800 Ar amin’io kosa ny vidin’ny menaka tsy mandry  iray litatra raha 6.000 Ar ny menaka anaty tavoahangy efa voafantina. Ireo  mpanendy mofo sy mpivarotra hani-masaka amoron-dalana no tena mampiasa  betsaka ity menaka mandry ity raha araka ny fanadihadiana natao hatrany raha efa misy mihitsy  ny orinasa manokana mpamatsy ireo mpivarotra. Mety hankarary anefa izy ireny na dia mora sy mitombo aza, hoy i dokotera Ratafika. Any amin’ny fandevonan-kanina mihitsy no mety hisy olana ka mety hivalana ilay olona. Mikasika ny menaka mandry izay hampiasaina tsy mijanona, indrindra ho an’ireo mpanendy mofo na mpanao vary amin’anana mampiasa kitoza sy saosisy dia  nomarihin’ity dokotera ity ihany koa fa mety hiteraka aretina hafa mihitsy ny fihinanana ireny karazan-tsakafo endasina amin’ny menaka mandry efa ela nanendasana tsy mitsahatra ireny. Anisan’ireny ohatra ny goitre. Anisan’ny mety hanampy ireo karazan’aretina azo vokatry ny fampiasana  ity menaka mandry ity moa ny hafanana be loatra amin’izao ka ilana fitandremana tsara, hoy hatrany ny mpitsabo.

 

Patty

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT