Fahasalamana

Famotehana tsimokaretina na “virus” Haingam-piasa kokoa ny rano sy savony


  • Alakamisy 15 Aprily 2021

Fanontaniana tsara apetraka mihitsy ny hoe “inona no tokony hanasana tanana rehefa hisoroka aretina azo amin’ny lalan-drivotra?”,

 

 

 

hoy ny fanazavan’ny mpitsabo, Marius Ramaroson. Ny tanana no mitondra tsimokaretina na “virus” any anaty lalan-drivotra amin’ny alalan’ny vava na maso, hoy izy. Ny piti-drora mety mandeha any amin’ny tanana na mandray zavatra amin’iny ny tananao dia tonga any anatinao miditra amin’ny orona na vava izany avy eo rehefa milalao eny ny tanana. Ny akora mamorona otrikaretina dia karazana menaka na hoe “structure lipidique”. Ny savony manala menaka ka rehefa sasana amin’ny rano sy savony ny tanana dia potika ilay tsimokaretina. Mamotika menaka amin’ny tsimokaretina koa ny alikaola. Ny savony no haingam-piasa kokoa raha ny fikarohana nataon’ny “microbiologiste” sy izay mpikaroka momba izany hatreto aloha saingy tsy dia tena mifanalavitra fa eo amin’ny 20 segaondra eo ny elanelany, hoy hatrany ny fanazavany, ary ny savony azo antoka fa tsy hisy fiantraikany hafa amin’ny lafiny fahasalamana fa ny mikasika ny “Gel Hydroalcoolique” moa mbola eo an-dalam-pikarohana izany ny manam-pahaizana.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT