Notanterahan’ny solombavambahoaka omaly ny fandinihana sy fandaniana ny Volavolan-dalana laharana 010/2019 tamin’ny 28 novambra 2019 mikasika ny famokarana ara-biolojika (agriculture biologique) eto Madagasikara.
Natao izany lalàna izany noho ny fahatsapana fa mbola marefo ny seham-pihariana misahana ny fambolena sy ny fiompiana. Raha ny fanazavana nentin’ny Ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Ranarivelo Lucien dia maro ny tombontsoa azontsika malagasy amin’izao Lalàna izao. Anisan’izany ny famporisihana ireo tantsaha hiditra amin’ny sehatra matihanina, ny fanatsarana ny kalitaon’ny vokatra sy ny vidiny, ny fiarovana ny tontolo iainana sns... Hita ao anatin’izany lalàna izany ny famaritana ny atao hoe fambolena biolojika, ny fampiasana izany, ny toerana ahafahana manao izany, ny fahefam-panjakana miandraikitra ary ny sazy ho an’ireo tsy manaraka ny fenitra. Eo ihany koa ny fananganana ny Komity mamaritra ny fambolena sy ny vokatra ara-biolojika.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.