Fambolen-kazon’ny mpitsabo nentim-paharazana

Tonga ny avy any amin’ny faritra sy ny tatsy La Réunion


  • Alatsinainy 17 Martsa 2025

Tontosa ny faran’ny herinandro teo teny Ankazomalaza ny hetsika fambolen-kazo 2025

ho an’ny Fikambanamben’ny mpitsabo nentim-paharazana eto Madagasikara na ANTM. Ny tenako manokana, hoy ny filohan’izy ireo, Josephin Andriandrainarivo, sy ireo filoham-pikambanana miisa 17 ato amin'ny ANTM, izay soloanay tena eto dia misaotra ny Zanahary sy ny Razana ary manantitra ny fanolorana fankasitrahana ho anareo rehetra tonga nandray anjara nivantana, ankoatran’ny teto Antananarivo, ireo avy tany Toamasina, Ambilobe, faritr’Itasy, ny avy tany La Réunion ary ireo nandray anjara tsy nivantana ihany koa. Mbola manentana antsika «Tradipraticiens» na mpitsabo nentim-paharazana rehetra manerana ny nosy samy hanohy ny fandraisana anjara amin'ny fambolen-kazo sy fiarovana ny tontolo iainana ary samy havitrika amin'ny fanasoavana ny fahasalamam-bahoaka ao anatin'ny fanarahan-dalàna sy ireo didy amam-pitsipika momba ny asa maha mpitsabo, hoy hatrany ny foibe ANTM.
Nangonin’i J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT