Fahasalamana

Famatsiana fanafody Misy olana kely ny toerana sasany


  • Alakamisy 24 Mey 2018

Ankoatra ny fitadiavana ny sakafo dia anisan’ny olana goavana iray sedrain’ny mponina ihany koa ny tsy fisian’ny fanafody eny amin’ny toeram-pivarotana voatokana ho amin’izany, indrindra ho an’ireo manana ny marary.

 Misy amin’izy ireny no tsy misy mihitsy na misy ihany fa lafo dia lafo. Ho an’ny eto an-drenivohitra manokana, raha araka ny fanadihadiana natao dia mbola mandeha tsara araka ny tokony ho izy ny famatsiana fanafody eny amin’ny farmasia amin’izao fotoana ka ireo karazam-panafody iadiana amin’ny aretin’ny taovam-pisefoana no tena be mpividy indrindra tato ho ato. Nambaran’ireo tsenakely mpaninjara fa maromaro ihany ireo karazam-panafody nifampitadiavana, roa herinandro mahery izao. Anisan’ireny ny Parabuffen na tapany manga izay fihinan’ny olon-drehetra marary an-doha amin’ny sarany 200 Ar ny iray. Ao koa ny vitamine C, indrindra fa eny amin’iny faritra Atsimondrano iny hahafahana miady amin’ny gripa sy sery ary ny pertamol izay zary fanafody nahazatra ny maro ihany koa tato ho ato rehefa tsy metimety ny loha. Hatrany am-potony mihitsy no somary vitsivitsy ireo fanafody ireo saingy tsy mbola nahitana fiakarana kosa  ny vidiny. Ireo fanafody fampiasan’ny mponina amin’ny andavanandro avokoa no saika voakasik’ity krizy ity amin’ny ankapobeny.

Pati


 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT