Fahasalamana

Famarotana Antibiotika Nohenjanina ny fanarahamaso


  • Alakamisy 11 Oktobra 2018

Nandray fanapahan-kevitra omaly ireo farmasiana mivondrona ao anatin’ny fikambanan’ny farmasianina eto Madagasikara tarihin’ny dokotera Mora Edwine manoloana ny firongatry ny fihinanana antibiotika eto amintsika.

 Diso lasa mihinana fahatany  ny antibitioka loatra mantsy ny Malagasy  raha araka ny fanazavany, hany ka ahiana tsy hahafaty ireo karazana mikraoba tafiditra ao anatin’ny vatan’olombelona intsony ity karazam-panafody fiarovana ity. Mitady hitovy amin’ny any Azia isika eto Madagasikara, hoy hatrany ny dokotera Mora Edwine izay zary lasa firenena iray tsy ahitana antibitioka intsony ankehitriny.  Mba hahafahana miaro ny fahasalaman’ny olombelona sy hanomezan-danja ny antibiotika ary dia nandray fanapahan-kevitra ny fikambanana  fa tsy azo  omena ny mpanjifa intsony izy ireny manomboka izao raha tsy mitondra taratasy mazava avy any amin’ny dokotera ireto farany. Ny amoxycilline, ny tetracycline no tena voakasik’izany amin’ny ankapobeny izay raisin’ny olona hatrany na dia serisery kely monja aza no mahazo azy. Nomarihin’ity dokotera ity moa fa tsy misy antibitioka vaovao intsony eto amintsika ary raha misy aza dia mety ho lafobe tsy ho takatry ny olona ka tsy maintsy handraisana fepetra  ireo izay  misy eo am-pelatanana.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

Hijery ny tohiny
FTT