Fahasalamana

Famadihana zava-maniry ho fanafody Misy fepetra 3 tsy maintsy arahina


  • Sabotsy 09 Mey 2020

Nohazavain’ny Pr Rafatro Herintsoa, misy fepetra telo tsy maintsy voahaja raha toa ka te hamadika zava-maniry ho lasa fanafody araka ny lalana iraisam-pirenena.

 

Mila akora azo antoka, efa nampiasaina sy nahomby ary tsy maharotika amin'ny vatan'olombelona, fantatra sy hananana porofo voarakitra an-tsoratra fa tsy henoheno fotsiny fa misy porofo siantifika ary fotoana ela be no nananana azy. Ny fananana tahirin-javamaniry betsaka azo ampiasaina sy haparitaka eran'i Madagasikara. Ny fananana orinasa mpikaroka sy mpamokatra manana ny fenitra ara-teknika sy ara-barotra momba ny momba ny fanafody. Ny CVO dia natao iarovana amn'ny Covid-19 ka ilay fatra somary ambanimbany no ampiasaina. Manosika ny hery fiarovam-batana ary manila ny rofy entin'ny Covid-19 toy ny kohaka ny dorehitry ny taova fisefoana izy amin'izay. Ilay fomba fiasa manasitrana kosa indray dia ny any amin'ny hopitaly ihany ary efa mahafantatra izany ireo mpitsabo ny mararin'ny Covid-19. Fatra ambonimbony no ampiasaina. Raha vao manana rofy mitovitovy amin'ny aretina azo avy amin'ny Covid-19 dia mety ny misotro ny CVO amin'ny fatra kely toy ny aretina miteraka korotam-pisefoana, aretina mety hanimba nentina hiarovana ny fiasan'ny taova toy ny avokavoka sy ny voa. Nambarany, fa afak’omaly no namoahan'ny Agence des Medicaments ny anaran'ny CVO ka manomboka izao dia raokandro na tambavy natsaraina na ''Rémède Traditionnel Amelioré'' ny CVO. Azo atao amin'izay ny miantso azy ho fanafody, hoy ny Profesora Rafatro Herintsoa.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT