Fahasalamana

Fako eto Antananarivo Azo avadika angovo ampiasain’ny isan-tokantrano


  • Alarobia 27 Jona 2018

Iaraha-mahita ny loto eto Antananarivo Renivohitra sy manerana an’i Madagasikara.

Maro ny Malagasy manana fahazaran-dratsy manipy fako etsy sy eroa. Efa tsy mahataitra intsony ny mahita olona manary ny lotony eny amin’ny toerana tsy tokony hanaovana izany. Raha tsy hiteny fotsiny ireny potipoti-javatra tahaka ny fonona vatomamy sy biskitra ary ireny harona sy tavoahangy vita amin’ny plastika ireny izay tena mandrakotra ny arabe sy ny lalan-drano etsy sy eroa. Raha manao kajy ambany anefa ka mandray olona 1 monja hanary fako 5 grama dia manome fako 500 kilao sahady raha misy olona100 000 no manao izany. Tany Conakri renivohitr’i Guinée izao dia nisy olana tamin’ny fitantanana ny fako tany am-boalohany satria mila vola be. Tamin’izay indrindra no niarahany niasa tamina ONG iray ka nanao ivontoerana fanavahana (centre de tri) fako izy ireo ary nentanina mafy ny mponina hanao izany. Ao no atokana ny fakon’ny sakafo (déchets alimentaires), ny tavoahangy plastika sy taratasy ka ahodina indray nanamboarany biogaz. Tsy vitan’ny nentanina fotsiny ny olona fa nampandraisina anjara mavitrika sy nomena biogaz mifanentana amin’ny lanjam-pako azo ahodina nentiny. Araka izany dia mahazo tombony daholo na ny mponina na ny kaominina satria madio ny tanàna, tsy ahiana hiparitaka ny valanaretina ary azo hanaovana tetikasa hafa toy ny hopitaly na sekoly ny tetibola fanalana fako. Mihena ihany koa ny fandaniana ataon’ny tokantrano ary voaaro ny tontolo iainana satria tsy mividy kitay sy arina intsony rehefa mahandro sakafo noho ilay biogaz. Ilaina, araka izany, ny fahatongavan-tsain’ny Malagasy mba hanaja ny fahadiovana satria raha tsy mandoto dia misy sahady ny tombony azon’ny tsirairay.

Tsiry

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT