Fahasalamana

Fahavaratra, rano miakatra Fotoanan’ny aretin-kibo, tokony ho mailo ny rehetra


  • Alarobia 03 Janoary 2018

Ny vanim-potoanan’ny fahavaratra tahaka izao no fotoanan’ny aretin-kibo noho ny habetsahan’ny ranon’orana sy ny fiakaran’ny voankazo maro samihafa eny an-tsena. Mila mailo ny tsirairay manoloana izany, raha araka ny fanazavan’ny dokotera Fidy Bariniaina.

Tokony ho rano nampangotrahana hatrany no sotroina fa tsy izay rehetra hita, hisorohana ireo karazana mikraoka tsy hiditra any anaty kibo. Tokony manasa tanana matetika ihany koa ny rehetra hoy izy mialohan’ny hikarakarana sakafo, hisakafoanana ary aorian’ny fandehanana any amin’ny trano fivoahana. Tokony sakafo masaka tsara ihany koa no hanina raha madio tsara izany ho an’ireo  karazany hanina manta,  tsy simba, tsy lo, tsy masiso ka ho an’ireo karazany tehirizina anaty boaty dia tsara raha jerena tsara ny daty fara-fihinanana izany sy ny boatiny sao sanatria efa mibontsina. Ho an’ny voankazo indray izay nomarihin’ny dokotera Fidy Bariniaina fa tokony hitondra fahasalamana ho an’ny tsirairay  ny fihinanana azy dia tsara raha hanina amin’ny antonony  sy amin’ny karazany maro.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT