Fahasalamana

Fahatapahan’ny lalan-dra tampoka Mila fitandremana ny fandroana amin’ny rano mangatsiaka


  • Alakamisy 01 Jona 2023

Zary lasa aretina mpahazo ny olona maro ankehitriny ny fahatapahan’ny lalan-dra. Any amin’ny loha amin’ny ankapobeny no tena henjehin’izy io,

raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo. Raha araka ny tarehimarika azo dia olona miisa 232 amin’ny mponina 100 000 no mahita faisana amin’ity resaka AVC na Accident Vasculaire Cérébral ity izany hoe : 2 isaky ny olona miisa 1.000. Voakasik’io avokoa ny salan-taona rehetra raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo toy ireo tanora vao 18 taona ka hatramin’ireo olon-dehibe mihoatra ny 60 taona. Ankoatra ny fitandremana ny resaka sakafo, torimaso sy ny fandaminana ny fomba fiaina araka izany dia nanafatra ny mpitsabo fa tokony hotandremana ihany koa ny fandroana amin’ny rano mangatsiaka indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny ririnina izao. Mety hampiova tampoka ilay lalandra mantsy izany hatsiaka entin’ny rano mangatsiaka izany miampy ilay fiondrikondrehana ao amin’ny trano fidiovana. Marihina moa fa raha tsy mahafaty dia mampitondra takaitra mafy toy ny fahalemen’ny vatana ilany sy ny tsy fahafahana mandeha tsara sy miteny tsara intsony ny AVC ho an’ireo izay tratrany. Misy karazany roa kosa ny fahatapahan’ny lalan-drà vokatry toy ny ny fahatsetsenan’izany, na ilay antsoina hoe « AVC Ischémique », raha eo koa ny fahatapahan’ny lalan-drà vokatry ny fahavakisan’izany na ny « AVC Hemorragique ».
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

Hijery ny tohiny
FTT