Fahasalamana

Fahasimban’ny sosona ôzôna Mety hahazoana homamiadan’ny hoditra


  • Zoma 15 Septambra 2017

Mihasimba tsikelikely ny sosona ôzôna eto amintsika noho ny antony maro samihafa. Hankalazaina rahampitso sabotsy 16 septambra ny andro iraisam-pirenena amin’ny fiarovana izany sy ny faha-30 taonan’ny “protocole de Montréal”

 

 nanaovan’i Madagasikara fifanekena ny amin’ny handraisany anjara amin’ny ady atao amin’izany. Maro ny voka-dratsy ateraky ny fahasimban’ny sosona ôzôna, araka ny fanazavan-dRalalaharisoa, tale jeneraly iray eo anivon’ny minisiteran’ny Tontolo iainana, omaly. Anisan’ireny ny aretin’ny homamiadan’ny hoditra, vokatry ny fivantanan’ny taratra “ultra violet” avy hatrany amin’ny tenantsika. Eo ihany koa ny fahajambana. Mba hahafahana miaro amin’ireto voka-dratsy roa ireto tsy hitranga amintsika olombelona sy ny zava-manan’aina hafa ary dia nanome fiofanana ireo mpanamboatra vata fampangatsiahana sy ireo mpanara-maso ny entana miditra eto amintsika, izay mety hanimba ny  sosona ôzôna  ity minisitera iray ity. Etsy amin’ny Motel Anosy no hanatanterahana izany, hifarana anio.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT