Fahasalamana

Fahasalaman’ny zaza Nidina ny tahan’ny fampinonoan-dreny


  • Sabotsy 11 Aogositra 2018

Tsy mitsaha-mihena ny tahan’ireo renim-pianakaviana malagasy mampinono ny menaky ny ainy.

 

 Nidina ho 41,9 % mantsy izany, araka ny tatitra azo avy eo anivon’ny sampana misahana ny fanjarian-tsakafo eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, raha ny hampiakatra izany hatrany amin’ny 65 % no tanjona napetraka, hatramin’ny taona 2021, ho antsika eto Madagasikara. Antony maro no mahatonga izany, araka ny fanazavanan’ny  Dokotera Marie Georgette. Voalohany ny fankatoavana diso tafahoatra ny fomba amam-panao. Eo ihany koa ny fitandroana diso tafahoatra ny bika sy ny endriky ny vatana, ho an’ireo vehivavy sasany, ary ny tsy fahalalana sy ny rotoroto iainan’ny vehivavy isan’andro, indrindra fa ho an’ireo miasa ivelan’ny tokantrano. Olana goavana ihany koa ny fisian’ireo karazan-tsakafo miparitaka eny an-tsena, izay voalaza fa mahasolo tsara ny nonon-dreny no sady afaka mamelona ny zaza. Raha ny tena marina anefa, hoy hatrany ireo tompon’andraikitry ny sampandraharaha momba ny fanjarian-tsakafo eo anivon’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka dia tsy misy mahasolo velively ny nonon-dreny ary tokony ho nonon-dReny tsy misy fangaroany ihany no omena ny zaza vao teraka ka hatramin’ny faha-enim-bolany. Ny nono mantsy, hoy izy, dia sakafo feno ho an’ny zaza, miaro azy amin’ireo karazan’aretina maro samihafa, satria ahitana an’ireo singa mahavelona no sady vaksiny ihany koa, indrindra fa ilay ranom-batsiny voalohany iny. Nisy ny fakan-kevitra notanterahin’ity sampandraharaha iray ity, tetsy amin’ny hôtely Grand Mellis Analakely, omaly, mba hampitomboana ny tahan’ny fampinonoan-dreny eto amintsika. Tafiditra indrindra ao anatin’ny fankalazana ny herinandrom-pirenena ho an’ny fampinonoan-dreny izany izay hankalazaina ny 13 ka hatramin’ny 18 aogositra ho avy izao any Ambositra moa ny hetsika.

 

Pati/ Tsirinasolo


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT