Fahasalamana

Fahasalaman’ny tanora Mbola ambany ny tahan’ny fampiasana fandrindram-piterahana


  • Alarobia 16 Janoary 2019

Ny 37%-n’ny ankizivavy eo anelanelan’ny 15 hatramin’ny 19 taona eto amintsika dia efa niteraka 1 avokoa na mitoe-jaza. Antontan’isa vokatry ny fanadihadiana nataon’ny INSTAT tamin’ny taona 2012 – 2013 io.

 

 

 Ny tahan’ny fampiasana fomba fandrindram-piterahana ambany dia ambany, eo amin’ny zatovo sy ny tanora, no anisan’ny antony mahatonga izany. Ny 13,7%-n’ny zatovo 15 hatramin’ny 19 taona mantsy no mampiasa azy io eto amintsika ary miakatra kely ho 28,8% ny salan’isa, eo amin’ireo tanora eo anelanelan’ny 20 hatramin’ny 24 taona. Vokatr’io taham-pampiasana fandrindram-piterahana ambany io dia mahazo vahana ihany koa eto amintsika ny vohoka tsy niriana. Maro dia maro, etsy an-daniny, ireo zatovovavy miditra amin’ny fanalan-jaza, saingy aty amin’ny firenena afrikanina toa antsika, dia voalaza fa an-tsokosoko sy tsy manaraka ny fenitra ara-medikaly avokoa ny 95%-n’ny trangana fanalan-jaza. Izany rehetra izany no antony mahatonga ny fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana, Médecins du Monde, mikarakara fifaninanan-kira miompana amin’ny fahasalamana ara-pananahan’ny tanora. Raha ny fijoroana vavolombelon’ny mpanabe olon-tsahala rahateo, izay manentana ny zatovo sy ny tanora eny anivon’ny fiarahamonina eny, dia fomba iray mahomby hisarihana ny tanora ny hira. Efa nisokatra ny fandraisana anjara amin’ity fifaninanan-kira ity ary hifarana amin’ny 25 febroary izao. Ao amin’ny tranonkala chansonpourlassr.wordpress.com no ahafahana mahita ny antsipirihan’ny fitsipiky ny lalao. Araka ny fanazavan’ny mpikarakara, nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety natao teny Andrainarivo, omaly, dia maro ny loka hatolotra ho an’ny mpandresy, toy ny fahafahana mandray feo amin’ny fomba matihanina kokoa an’ilay hira. Tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny Médecins du Monde momba ny fahasalamana ara-pananahan’ny tanora, izay natomboka tamin’ny taona 2017 moa ity fifaninanan-kira ity.

 

Marigny A. sy Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT