Fahasalamana

Fahasalamana Zavadehibe ny fanaovana "Bilan" sy "Controle"


  • Alakamisy 07 Mey 2020

Misy manafangaro matetika ny fanaovana bilan sy ny controle any amin’ny toeram-pitsaboana.

 

 

 

 

 

 Ho an’ny controle manokana dia nambaran’ny dokotera Fidy Bariniaina fa tena ilaina izy io amin’ny fanaraha-maso ny toe-pahasalamana. Amin’ny ankapobeny raha araka ny fanazavany hatrany dia natokana ho an’ireo olona nitsabo tena ka te-hahalala ny fivoaran’ny fahasalamany izy io. Jerena ao anatin’izany ny fahombiazan’ilay fitsaboana na tsia….ka raha nahomby dia tohizana raha tsy nahomby kosa dia mitady paikady hafa ny dokotera. Ho an’ny bilan indray dia ny olon-drehetra no tokony hanao azy amin’ny alalan’ny analizy hahafantarana ireo karazan’aretina ao anatin’ny vatana. Isaky ny herin-taona raha tara indrindra no tokony hanao izany ny olona iray na dia salama aza. Ho an’ny mpianatra ohatra dia tokony hanao izany izy ireny rehefa hiditra hianatra. Ho an’ny mpiasa ihany koa dia tokony hanao izany izy ireny mialohan’ny hidirany hiasa amina orinasa iray. Ny vehivavy mitady zanaka ihany koa dia tokony hanao bilan mialohan’ny hiterahany….Marihina moa fa tena ilaina ny fanaovana bilan, indrindra amin’izao fotoana fiparitahan’ny COVID 19 izao hahalalana ireo karazan’aretina miafina any anaty ka tsy hahafahana misotro ilay tambavy CVO ohatra…

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT