Fahasalamana

Fahasalamana Votsa ara-tsaina ny 3% n’ny Malagasy


  • Zoma 27 Mey 2022

Ny 3%-n’ny mponina manerana ny Nosy no fantatra fa tratry ny havotsana ara-tsaina. Amin’ny ankapobeny dia mbola zaza izy ireny dia efa hita amin’ny alalan’ny fihetsiny, toe-batana izay hahafahana mianatra sy manovo fahalalana

tsara ihany anefa. Anisan’ny fomba hahafantarana azy ireny ny tsy fahaizan’ilay zaza miteny ohatra, ny fisian’ny rarakivy mandeha maharitra amin’ny vavany izay manambara ny fisian’ny tsy fahatombonana tsara amin’ny sainy raha misy ihany koa ireo manana olana kely ara-batana. Ho an’ny orchidee blanche eny Androhibe manokana, ivon-toerana izay mandray an-tanana ireny ankizy ireny dia mahatratra 15.000 hatreto ireo ankizy efa noraisiny an-tanana tao anatin’ny 50 taona nijoroany. Ahitana ny sokajin-taona rehetra izany. Hampianarina manoratra ny ankizy no sady mamaky teny ihany koa, raha araka ny fantatra mba tsy hahatonga azy ireny ho vesatry ny fiaraha-monina. Hampianarina manao asa tanana ihany koa izy ireo. Nosokafana tamim-pomba ofisialy omaly izany fankalazana ny faha-50 taonan’ny orchidee blanche izany. Ankoatra ireo hetsika maro samihafa hotanterahiny dia nisy ihany koa ny opération brioche izay nokarakarain’ny sekoly entina hanampiana ny eo am-pelatanan’ny sekoly ho fanasoavana ireo ankizy raisiny an-tanana. Tsiahivina moa fa mahatratra 18% ireo olona votsa saina sy tratry ny fahasembanana ara-batana eto amintsika.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT