Fahasalamana

Fahasalamana Tsy ny aretina sohika ihany no mahafaty


  • Alakamisy 28 Jolay 2022

Niteraka resabe teto amintsika tato anatin’ny andro maromaro izao ilay aretina soika nahafaty ny mpanankato Rak Roots.

Tena mahafaty tokoa io aretina io raha araka ny fanazavan’i Mandimbison Rija, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Centre Aina Soa etsy Namontana indrindra fa rehefa manao krizy. Misy zavatra kely be dia be mamoaka bolobolo mantsy raha araka ny fanazavany ao amin’ny taovam-pisefoana nefa mihatery ilay lalan-drivotra hany ka sempotra be avy hatrany ilay olona. Fa tsy ny aretina sohika ihany raha araka ny fanazavany no mahafaty. Mahafaty ihany koa hoy izy ny fo misy rano, ny dona mety mahazo ny tratra, ny aretim-bavony ary miteraka gazy any amin’ny tratra dia manempotra raha toraka izany ihany koa ny viriosy tafiditra ateraky ny valan’aretina Covid 19. Samy azo tsaboina tsara avokoa anefa ireo aretina ireo raha araka ny fanazavany. Ho an’ny sohika manokana dia anisan’ny toro-hevitra nomeny ny fisotroana ranom-boankazo kiwi sy akondro. Ampiana rano iray vera sy tantely izany fanafody izay samy miady amin’ny Alerzia.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT