Fahasalamana

Fahasalamana Tena lalaovina mihitsy ve ny aim-bahoaka ?


  • Alatsinainy 04 Mey 2020

Tsy mbola misy firenena afaka miteny fa manana ny fanefitry ny coronavirus, fa mbola eo amin'ny sehatra observation (observation clinique) daholo izao.

Tsy mbola fantatra hatreto ny “interaction médicamenteuse” eo amin'ny covid-organics sy ireo fanafody “conventionnel” hafa, hoy ny Profesora Luc Rakotovao. Fa ny tena tsara amin'izao dia miresaka na manontany mivantana an'ireo olona namorona ny covid-organics ho an'ireo olona efa mandray fanafody hafa. Tsy ny rehetra fa marobe ireo karazan'olona tsy tokony hisotro an'ilay tambavy, raha hatao ny tsoa-kevitra. Raha vao avy nihinana fanafody izany tsy tokony misotro CVO mihitsy, izay olona taizan’aretina tsy tokony misotro. Ahoana ny hahafantarana hoe taizan’aretina ny olona iray? Ahoana ny famaritana an’izany satria ny Malagasy tsy manao fizaham-pahasalamana firy noho ny antony maro toy ny ara-bola fotsiny ohatra? Misy ny marary fo, mararin’ny goty , misy tosi-dra, bevohoka izay tsy tokony hisotro, ny marary fo tsy misotro, marary vavony tsy misotro, marary aty tsy misotro, marary saina tsy misotro,… efa avy natao ny fizarana sy fampisotroana faobe vao resahina ny fepetra manokana . Minisitra tsy dokotera akory no milaza sy manao doka fa tsy misy fiantraikany hafa na “effet sécondaire” io. Izany ve tsy filalaovana aim-bahoaka, ary iza no tompon'andraikitra ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT