Fahasalamana

Fahasalamana sy rohivoahary Maika ny fampahatongavan-tsaina ny mponina


  • Alatsinainy 22 Novambra 2021

Nifarana ny sabotsy 20 novambra teo ny Fikaonan-doha iraisam-pirenena momba ny rohivoahary sy ny fahasalamana izay notanterahina nanomboka ny 19 novambra 2021 tao amin'ny hôtely lehibe Baobab Tree tao Mahajanga.

Anisan'ny fehin-kevitra nivoaka tamin'izany ny fanomezan-danja sy fandalinana ireo vokapikarohana siantifika nivoaka izay toa zary nampiasaina hatramin'izay, mba hiarovana amin'ny fomba mahomby kokoa ny rohivoahary eto. Loza tsy azo ivalozana ho an'ny fahasalamana sy ho an'ny taranaka mantsy raha potika ny rohivoahary ary efa ampahany betsaka amin'izany anefa no potika eto Madagasikara. Amporisihina ny fanaovana fikarohana voarindra kokoa hamaly ireo filana amin'ny lafiny fiarovana ny rohivoahary sy ny fifandraisany amin'ny fahasalamana. Ampidirina ao anatin'ny fitantanana ny rohivoahary ny mponina ifotony sady hamafisina ny fampahafantarana sy fandresena lahatra azy ireo momba ny lanja sy hasarobidin'ny rohivoahary hampazoto azy ireo amin'ny fiarovana izany sy ho fisorohana ny fanimbana izany. Omena lanja ihany koa ny zava maniry azo atao fanafody sy ny fahalalana avy amin'izany hampiroboroboana ny fitsaboana nenti-paharazana. Tokony apetraka indrindra ny antontan-kevitra na base de données nasionalin'ny rohivoahary. Vahaolana naroson'ny fikambanan'ireo mpitsabo nenti-paharazana rahateo nandritra ity Fikaonan-doha ity ny fanisana sy firaketana ireo zava-maniry sy ny fanaovana fanadihadiana eny ifotony amin'ny fampiasan'ireo mponina ifotony azy ireny anaty fitsaboana. Tokony hofehezina koa ny fihetsika sy fahazaran'olombelona mampipongatra otrikaretina vaovao ankoatra ny fiomanana sy fisorohana amin'ny fiavian'ny valanaretina vaovao. Tsy tokony hijanona ho resabe fotsiny ireo fa halalinina sy havadika ho asa ka hanohy ny fiaraha miasa ireo départementa telo tonta nikarakara ny Fikaonan-doha dia ny Ministeran'ny Fampianarana Ambony sy fikarohana ara-tsiansa, ny Tontolo Iainana sy fandrosoana lovain-jafy ary ny Fahasalamam-bahoaka,. Nanome toky moa ny PAGE/GIZ izay nanohana ny fikarakarana ity hetsika iraisampirenena ity fa hanohy ny fanohanany an'i Madagasikara amin'izao fanamby lehibe fiarovana ny rohivoahary eto Madagasikara izao. Nanome toky koa ireo tomponandraikim-panjakana nandray anjara tamin'ity Fikaonan-doha ity fa hitondra eny amin'ny sehatry ny fanapahan-kevitra ireo anjara andraikitra tandrify ao anatin'izany.


Nanolotra fitaovam-pitiliana maoderina sy fitaovam-pitiliana PCR miisa 30 000 mitentina 200 000 euros ho an'ny CHU Androva ny PAGE/GIZ hiatrehana ny ady amin'ny valanaretina Covid-19 Homena fanamafisana fahaiza-manao momba ny fampiasana ireo fitaovana ireo ireo mpiasa ao.
Nangonin’i Natty
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

Hijery ny tohiny
FTT