Fahasalamana

Fahasalamana sy ny andro mangatsiaka Mila mihinana sakafo be gliosida


  • Zoma 25 Mey 2018

Efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina isika ankehitriny.

Manomboka mahazo vahana ny hatsiaka vokatr’izany izay efa tena mamirifiry tokoa. Mba ialana amin’ireo karazana tsy fahasalamana mety hitranga tampoka ary manoloana ny hatsiaka dia tsara hoy dokotera Ratafika, lehibena tobim-pitsaboana tsy miankina iray eto an-drenivohitra ny manao mafana foana. Toraka izany koa ny fisakafoanana tsara ka anisan’ireny ny fihinana ireo karazan-javatra be gliosida hahafahana  mampiakatra ny kaloria ao anatin’ny vatana. Raha mahazo sakafo mamy ( be gliosida ) 1 grama fotsiny mantsy ny olona iray hoy hatrany ity dokotera ity dia mahazo karazana kaloria efatra sahady ny vatany. Toraka izany koa  ny fihinana sakafo misy menaka, antony manosika ny olona hihinana voanjo rehefa vanim-potoanan’ny hatsiaka tahaka izao…. Na izany aza anefa hoy hatrany dokotera Ratafika dia ilaina foana ny misotro rano tsy tapaka. Toraka izany koa ny fihinanana sakafo mafana, ny voankazo hisorohana ny sery izay mety hivadika tazo mihitsy amin’ny vanim-potoana tahaka izao. Nomarihiny ihany koa moa fa fotoana fisehoan’ny aretin’ny taovam-pisefoana toy ny kohoka ihany koa ny vanim-potoana tahaka izao  ka tokony samy hitandrina ny rehetra.

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT