Fahasalamana

Fahasalamana sy fitsaboana Tsy manana fiantohana ny 80%-n’ny Malagasy


  • Alakamisy 22 Desambra 2022

Mahatratra 80% n’ny Malagasy no mbola tsy manana fiantohana ara-pahasalamana. 20% monja no manana izany izay mpiasa sy manao asa manara-drafitra.

Ny ankoatra izay dia velombelom-poana eny koa na dia marary mihatra aman’aina aza dia tsy maintsy manao dokotera tenany. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia efa mahatratra 20.000 Ar amin’izao raha kely ny saran’ny fizaham-pahasalamana eny anivon’ny dokotera tsy miankina iray ankoatra ny fanafody. Izany indrindra no antom-pijoroan’ny AFAFI, mutelle de santé tarihin’ny dokotera Vero Olivia Randriarimalala. Ireo olona marefo sy sahirana no tena omeny tohana amin’izany ka hatreto dia efa mahatratra 46.000 ireo mpisitraka tombontsoa manerana ny faritra dimy dia ny Faritra Analamanga, Analanjirofo, Itasy, Bongolava, ary Matsiatra Ambony. Miparitaka manerana ny kaominina miisa 270 ireo ka ireo didiana apandesita, vehivavy miteraka tsy maintsy mandalo fandidiana no tena betsaka. Mamely ihany koa anefa raha araka ny fanazavan’ny dokotera Vero ny gripa mahery sy ny kohoka, ny aretin-kibo….Nomarihin’ny dokotera Vero moa fa ankoatra ny olana ara-bola dia manana olana ara-tsaina sy ara-panabeazana ihany koa ny ankamaroan’ny olona. Misy ireo manam-bola ihany fa matahotra ny hanatona mpitsabo hoy hatrany izy. Marihina moa fa mankalaza ny faha-20 taonany ny AFAFI. Fanamby hapetrak’izy ireo araka izany ny hampitombo ny tahan’ireo olona mpikambana ao aminy entina hanamaivanana ny fahasahiranan’ny isan-tokantrano amin’ny resaka fitsaboan-tena.
Pati
Legende : Dokotera Vero Olivia Randriarimalala, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny AFAFI
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT