Fahasalamana

Fahasalamana sy fitsaboan-tena Efa tsy natao ho an’ny sarambabem-bahoaka intsony


  • Alakamisy 15 Aprily 2021

Mampitaraina sy mampikolay vahoaka ny fitsaboana marary eto Madagasikara. Hatramin’ny olona sokajiana ho manan-katao aza vaky vava,

 

 

 

 toa ilay Mpiaro ny ben’ny tanànan’Antananarivo Jean Marc Koumba, izay naneho sy nanamarika fa 510 000 Ar ny fanaovana Scanner. “Tena zava-doza sy mampalahelo, ary tsy te haka sary an-tsaina ny mahazo ny olona izay tsy mba manana herijika aho, tena tsy rariny, hoy ny nambarany tamin’ny teny vahiny, raha hatao dikan-teny malalaka. Nomarihiny rahateo fa ny trano fiantohana dia tsy mandray an-tànana raha toa ka covid-19. Mampalahelo tokoa ny tsy manam-bola eto Madagasikara. Vao ny “scanner” io, fa mbola hafa ny lafiny hafa, ary porofo mivaingana ny fiatrehana ny coronavirus. Vidiana 2 080 000 Ar ny « oxygène » miampy ny fitaovana miaraka aminy, hoy ny fampahalalam-baovao iray omaly. Naman’ny maty rehefa tsy manam-bola ary miharihary io ankehitriny. Tena maika ny fikarohana hevitra hahamaivana kokoa ny saram-pitsaboana eto Madagasikara, ka mba samy hahazo fitsaboana ny rehetra fa tsy ampahany amin’ny Malagasy ihany no afaka manao fitsirihana ara-ppahasalamana sy mamaonjy dokotera na koa miditra hopitaly. Ny hoe hatao fandidiana izany moa dia efa tsy resahina intsiny. Avy eo mbola hoe mila paosin-drà maro. Tsy afa-mamokatra tsara anefa ny vahoaka manana fahasalamana tsizarizary. Lasa taratra sy hanavahana ny sarangan’ny Malagasy ankehitriny ny fahafahana mitsabo tena, ka ny ankamaroany dia tsy manana ny fahefana hanao izany. Manodidina ny 300 hatramin’ny 400 miliara Ar isan-taona ny tetibola ho an’ny Minisiteran’ny fahasalamana, izay mbola ambany mitaha ny an’ny Minisitera sasany. Rehefa atao ny kajikajy, mandany 1 miliara Ar isan’andro izany ny Minisitera. Hatramin’ny fivalanan-drano aza anefa handoavam-bola any amin’ny Hopitalim-panjakana. Sady mampahalahelo no mahatezitra.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpitsabo nentim-paharazana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

«Mitaraina ho tian’ny olafitry

  • TONGA HATRANY
  • Talata 28 Aprily 2026

MAHAJANGA NY AMBALAVELONA

  • Dokotera mpitsabo biby
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Tena antoky ny fanajarian-tsakafo sy ny fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT