Fahasalamana sy firaisana ara-nofo

“Betsaka ireo lehilahy manana olana ara-pananahana”


  • Talata 26 Martsa 2024

Betsaka ireo lehilahy manana olana ara-pananahana tonga manatona mpitsabo amin’izao.

Ny ankamaroan’izy ireny dia tsy mahatazona tsiron’aina rehefa manao firaisana raha misy koa ireo kely loatra ny filahiany ka tsy afaka manome fahafinaretana ny olon-tiany na ny vadiny. Raha araka ny resaka nifanaovana tamin’ny mpitsabo Mandimbison Rija, tompon’andraikitra voalohany etsy amin’ny Centre Ainasoa etsy Namontana dia ny 50%-n’ireo lehilahy na tovolahy manana io olana io no tonga manatona azy ireo. 18 taona no zandriny indrindra amin’izany izay mbola tsy manam-bady akory. Raha araka ny fanazavan’ity mpitsabo ity moa dia tokony ho 15 minitra eo ho eo ny fanaovana firaisana ara-nofo raha voafehin’ny sainan’ny lehilahy tsara. 30 minitra kosa raha betsaka indrindra raha tiana hahazo fahafinaretana tsara ilay vehivavy. Ao anatin’izay fotoana izay mantsy hoy izy vao mety ho tonga any amin’ny lanitra fahafito araka ny filaza azy ny vehivavy iray. Tsy tokony hataon’ny lehilahy ambanin-javatra noho izany ny fifehezana ny saina rehefa manao firaisana ara-nofo mba samy hahazo fahafinaretana ny roa tonta.Antony miteraka ny fisaraham-panambadiana sasany eo amin’ny mpivady ihany koa mantsy izany. Ho azy ireo manokana dia afaka manampy ny lehilahy amin’ireo karazana vokatra natoraly toy ny henjana plus….izy ireo.
Pati
Legende : Zava-dehibe eo amin’ny mpivady ny firaisana ara-nofo hoy ity mpitsabo ity ka tokony hotandrovana fatratra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT