Fahasalamana

Fahasalamana Ratsy nify ny 90 %-n’ny Malagasy


  • Alatsinainy 23 Oktobra 2017

Marary sy ratsy nify avokoa ny 90 %-n’ny Malagasy, raha araka ny fanazavan’ny dokotera Rénaud Rasolonirina, tompon’andraikitra misahana ny fahasalaman’ny nify sy ny ativava eto amin’ny Faritra Analamanga.

Antony mahatonga izany ny fihinanana sakafo diso mamy loatra, ny tsy fahaizana manadio ny nify arahin’ny tsy fanatonana ny tobim-pitsaboana. Amin’ny ankapobeny, mila manadio nify in-telo isan’andro ny olona iray, izany hoe isaky ny avy misakafo. Tokony hatao ihany koa ny fampitondrana borosy nify ny ankizy madinika any am-pianarana hahafahany manadio ny nifiny rehefa avy mihinana odiambavafo izy ireny. Tokony hanatona tobim-pitsaboana in-droa isan-taona ihany koa ny olona  na dia tsy marary nify aza. Nomarihiny fa efa miezaka ny mampitombo isa ireo mpitsabo nify eto amintsika ny fanjakana saingy mbola olana ny fitobian’izy ireny eto an-drenivohitra. Mahatsiaro sahirana noho izany ny any ambanivohitra ka tsy vitsy ireo manao dokotera tenany.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT